James 1

1Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy Tompo Jesosy Kristy, ho an’ireo foko roa ambin’ny folo niparitaka: arahaba. 2Raiso ho fifaliana avokoa izany, ry rahalahy, rehefa misedra olana samihafa ianareo. 3Fantatrareo fa ny fitsapana ny finoanareo dia mahantonga faharetana.

4Avelao ny faharetana hahatanteraka ny asany, mba tena hivoatra sy ho feno tanteraka ianareo, ka tsy ho ory na inona na inona. 5Fa raha misy aminareo mila fahendrena, aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, ilay iray izay manome an-tsitrapo sy tsy mandatsa izay rehetra mangataka, ary omeny azy izany.

6Fa avelao izy hangataka amin’ny finoana, tsy misalasala amin’inona na inona. Fa izay misalasala dia tahaka ny onjan-dranomasina izay entin’ny rivotra sy mitopatopa. 7Fa izany olona izany dia tsy tokony hieritreritra ny handray na inona na inona avy amin’ny Tompo. 8Ny olona tahaka izany dia miroa saina, miovaova amin’ny lalany rehetra.

9Aoka ny rahalahy mahantra hanao ny fisandratany ho reharehany, 10fa ny olona manan-karena amin’ny fietreny, satria izy dia hilofika tahaka ny voninkazo-dia eny amin’ny ahitra. 11Fa ny masoandro dia miposaka amin’ny hafanana mahamay ary manamaina ny ahitra. Ny voninkazo dia mihintsana, ary ny hatsarany dia ho levona. Toy izany koa, ny olona manan-karena dia halazo eny amin’ny atsasaky ny diany.

12Sambatra ny olona izay miaritra fitsapana. Satria rehefa avy nandalo fitsapana izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenaina tamin’ireo izay tia an’ Andriamanitra. 13Rehefa misy halaim-panahy dia aoka izy tsy hiteny hoe: “Andriamanitra no naka fanahy ahy,” satria Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaina fanahy, sady tsy mba maka fanahy na an’iza na iza.

14Fa samy alaim-panahy amin’ny faniriany manokana ny olona tsirairay, izay mampiemotra sy mandresy azy. 15Rehefa avy torontoronina ny faniriana, dia miteraka fahotana izany. Ary rehefa mitombo tanteraka ny ota, dia miteraka fahafatesana. 16Aza mety ho fitahina, ry rahalahy malalako.

17Ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra dia avy any ambony. Izany dia midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana. Miaraka aminy dia tsy misy fiovana na aloka nohon’ny fiodinana. 18Andriamanitra dia nisafidy ny hanome fahaterahana antsika amin’ny tenin’ny fahamarinana, mba ho karazana voaloham-bokatr’ireo zavatra rehetra izay noforoniny isika.

19Fantatrareo izany, ry rahalahy malalako: aoka ny olona rehetra halaky hihaino, tsy hiteny haingana, ary tsy halaky ho tezitra. 20Fa ny hatezeran’ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinan’Andriamanitra. 21Koa esory ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana rehetra. Amim-panetre-tena dia raiso ny teny efa napetraka, izay afaka mamonjy ny fanahinareo.

22Aoka ho mpankatoa ny teny ianareo fa tsy mpihaino fotsiny ihany, ka mamitaka ny tenanareo. 23Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mpankatoa, dia tahaka ny olona izay mandinika ny tarehiny voajanahary anaty fitaratra izy. 24Mandinika ny tenany izy ka mandeha avy eo ary manadino avy hatrany ny momba azy. 25Fa ny olona izay mandinika tsara ny lalànan’ny fahafahana tonga lafatra, sy manohy manao izany, fa tsy hoe mpihaino fotsiny izay manadino, dia ho tahiana amin’ireo asany izany olona izany.

26Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mifehy ny lelany, dia mamitaka ny fony izy, ary tsy misy vidiny ny fivavahany. Ny fivavahana madio sy tsy misy pentina eo anoloan’ Andriamanintsika sy ny Raintsika dia izao: hanampy ireo kamboty sy ireo mpitondratena amin’ny fahorian’izy ireo, ary miaro ny tena mba tsy hisy pentina avy amin’izao tontolo izao.

27

Copyright information for PltULB